Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
Toko faha-4
1 Izao no angatahina aminao, eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany:2 mitoria ny teny, ary mahareta amin'izany na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva. 3 Fa ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; 4 dia hanentsin-tadiny amin'ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin'ny angano foana. 5 Fa hianao kosa, malìna amin'ny zavatra rehetra, miareta amin'ny fahoriana, ataovy ny asan'ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao. 6 Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. 7 Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; 8 hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo mpitsara marina ahy amin'izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
